Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny MBC Ivato ny « Centre de commandement operationnel » hoenti-mifehy sy miatrika ny areti-mandripaka coronavirus na
ny COVID 19. Miisa 1410 ny mpitsabo mandrafitra azy io, 1381 ny mpitsabo mpanamby, ary 1000 ireo ekipa vonjy taitra. Misy fiara mpitondra marary 11 ao, ary fiara miendrika hopitaly mandehandeha miisa 6. Ao no hiaingan’ny antontan’isa rehetra, ary ao anatin’ny mangarahara tanteraka ny fomba fiasa. Ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, izay manam-pahaizana eo anivon’ny Fakioliten’ny fitsaboana no mpitondra teny ofisialy. Isaky ny amin’ny 1ora tolakandro no hamoahany antontan’isa momba an’io hahafahan’ny vahoaka Malagasy tsirairay ny antontan’isa ofisialy, izay io ihany no raisina ho marim-pototra sy azo ekena. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no tonga teny an-toerana nanokatra ity ivon-toerana ity tamin’ny fomba ofisialy. Nanome toky moa ny fanjakana, fa isan’ny mampiavaka antsika amin’ny any ivelany ny fahafantarana ireo olona ahiana, izay tonga avy tany ampitan-dranomasina hatrany amin’ny 1000. Ho henitra ny fanaraha-maso azy ireo. Misy rahateo ny fiara fitondrana marary na ny “ambulances” miisa 70. Hisy araka izany ny fidinana sy fitsirihana hataon’ireo any amin’ireo olona ahiana.
Fiara mifono vy
Ankoatra izay, navoaka ny fiara mifono vy hifehezana ny vahoaka eo anatrehan’ny tsy fanajana ny lamina. Mihenjana tanteraka ny fanjakana, ary manamafy ny fahefana sy ny fanapahan-kevitra haingana raisina noho ny hamehana rahateo ny fametrahana ny an’i Madagasikara ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Midika io fa voafetra tanteraka ny fahalalahan’ny vahoaka isam-batan’olona ary malalaka amin’ny fanapahan-keviny sy ny fepetra raisiny ny mpitondra. Voafehy tanteraka ihany koa ny haino aman-jery, ary loharanom-baovao iray, dia ny avy amin’ny fanjakana irery no tokony hampitaina. Nanamafy ny fampitandremana eo anatrehan’ny vaovao mety hiteraka fikorontanan’ny saim-bahoaka hatrany moa ny filoham-pirenena. Manentana ny rehetra hitandrina sy hanaja ny lalàna hatrany i Andry Rajoelina, ary nilaza fa mety mbola hisy ny fepetra hentitra kokoa noho izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.