Actualités

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Nanolotra Ar 3 miliara ny fanjakana frantsay


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ireo vondron’olona sahirana voakasiky ny tsy fanjarian-tsakafo ny fitondram-panjakana frantsay ka nanolotra lelavola mitentina 1 tapitrisa euros.

 

Toy ny mahazatra dia mivantana any amin’ireo fikambanana tsy miankina miara-miasa io fanampiana ara-bola io fa tsy mandalo ny fitondram-panjakana foibe. Fikambanana 5 no hitantana ilay vola ka nahazo 3 hetsy euros ny Pam, 250.000 euros ny unicef , 280.000 euros ny Gret , 100.000 euros ny Vokovokomena Malagasy ary 70.000 euro ny an’ny Saf fjkm. Omaly teny amin’ny foiben-toeran’ny Pam etsy Ambatoroka no nanatontosana ny lanonana fifanaovan-tsonia teo amin’ny masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara Jean Marc Chataigner sy ny tompon’andraikitra isan-tokony amin’ireo mpahazo tombontsoa. Saika miompana amin’ny fitsinjovana ireo mponina sahirana an-tanàn-dehibe ny fanampiana amin’ny alalan’ny asa atakalo sakafo. Raha ny ho an’ny Saf fjkm manokana dia miisa 63.000 ireo mpahazo tombontsoa mivantana amin’ny tetikasa. Mponina amin’ny faritra Antananarivo renivohitra, ny distrikan’Atsimondrano sy Avaradrano izy ireo izay omena sakafo solon’ny karama amin’ny asa hampandraiketina azy raha ny fanazavan’ny talen’ny Saf fjkm, Rahajary Tsialoninarivo. Fotodrafitrasa 35 ahitana fanajariana tatatra sy lalankely no hotontosaina amin’izany. Fanohizana ny tetikasa « restau du cœur » eo anivon’ny boriborintany voalohany mandritra ny 10 herinandro kosa no hampiasain’ny Vokovokomena ny anjara volany. Sakafo 6950 lovia moa no zaraina amin’ireo restau du cœur ireo isan’andro. Ho an’ny Pam indray dia aompana tanteraka amin’ny famatsiana sakafo eny anivon’ny « cantines scolaires » amin’ny tanàn-dehibe efatra ahitana tsy fanjarian-tsakafo be indrindra ny vola fanampiana azony. Hisy ny fananganana cantine vaovao, hoy ramatoa Krystyna Bednarska, mpiandraikitra ny Pam eto Madagasikara. Ny tanànan’Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara ary Toamasina no voakasiky ny tetikasa raha ankizy 5 000 kosa no mpahazo tombontsoa. Tanàn-dehibe sy kaominina ambanivohitra 5 avy kosa no hotsinjovin’ny unicef amin’ity tetikasa ity. Farany, ho an’ny Gret dia hisy ny fizarana sakafo sy torohevitra momba ny sakafo ara-pahasalamana amin’ireo mponina amin’ny kaominina 41 ao anatin’ny faritra 5 izay tena ianjadian’ny fahasahiranana. Nomarihin’ny masoivoho Frantsay fa mbola hisy ny fanoloran’ny fanjakana frantsay ampaham-bola faharoa amin’ny volana jona izao saingy tsy mbola voafaritra kosa ny totaliny.
 
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT