Nahazo laboratoara vaovao ny «Institut Pasteur de Madagascar» etsy Avaradoha. Hiasa ho amin’ny fanaovana fikarohana momba ny karazana bibikely mpitondra areti-mifindra toy ny moka sy ny parasy izy io hahafahana manampy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ady atao amin’ny aretina tazomoka, ny dingue, ny pesta...
Mbola tena mahazo vahana tanteraka eto amintsika ireo karazan’aretina ireo, indrindra amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Toraka izany koa ny eto afovoan-tany izay tsy mifidy vanim-potoana intsony. Mpikaroka Malagasy miisa dimy miampy teratany vahiny no hiara-kiasa ao amin’ity laboratoara iray vaovao ity. Tanjona ny hahafahan’ireo manampahaizana sy mpisehatra voakasika hifanakalo traikefa sy fahaiza-manao entina hanatsarana hatrany ny asa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.