Actualités

Ady amin’ny kolikoly Misambotra ny BIANCO, mamotsotra ny Chaîne Pénale


  • Alakamisy 23 Jolay 2015

Niaiky omaly ny tale jeneralin’ny birao mahaleotena enti-miady amin’ny kolikoly (Bianco) fa tsy mirindra ny fomba fiasa momba ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.Manadihady,

 

 manenjika, misambotra ny Bianco hoy Atoa Andriamifidy jean Louis, kanefa tonga eny amin’ny chaîne pénale avy eo dia toa votsotra foana ireo olona voarohirohy amina kolikoly.Nanome ohatra iray izy, nisy olona nanodikodina volam-panjakana mitentina 2 miliara ariary, nahavitan’ny Bianco fanadihadiana ary dia natolotra ny Chaîne pénale na ny fitsarana manokana momba ny resaka kolikoly.Nahazo fahafahana vonjimaika anefa io olona io, ary taty aoriana dia nomena sazy maivana 2 volana sazy miantona indray.Mila manana rafitra mipetraka mazava ary tena vonona ny hiady amin’ny kolikoly isika hoy ity tale jeneralin’ny Bianco ity ary arindra tsara ihany koa ny fomba fiasa , raha toa ka tena hiady amin’ny kolikoly marina.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT