Ady amin'ny kolikoly

Mila paikady mazava sy asa fa tsy serasera fotsiny


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Nalaza indray omaly ny teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato

teny satria nanao be midina teny ny Fikoham-pirenena sy ny delegasionina avy amin'ny fitondram-panjakana.
ASA FA TSY SERASERA FOTSINY
Resaka hoe fanatsarana ny fomba fiasa sy ady amin'ny kolikoly raha fintinina tsotsotra ny resaka teny. Tena maro tokoa aloha ny fitarainana avy amin'ny mpandeha eny Ivato.Misy entana vaosavasava tsy fantatra hoe ahoana izany, maro be ny endrika fitakiana vola na ilay hoe "mba mametraha kely". Malaza ratsy ireo polisin'ny sisin-tany sy ny mpiasan'ny fadintseranana ary tondroin'olona maro ho tena tompon'ny kolikoly mihitsy. Ekena tena ilaina ary tsy maintsy atao ny ady amin'ny kolikoly izay manaratsy endrika sy tena manimba ny asam-panjakana eto.Saingy tsy resaka hoe fidinana ifotony indray mandeha isan-taona na fitsidihana tampoka efa ampandrenesina 1 andro mialoha no hahafoana an'io fa asa sy paikady atao isan'andro.Miainga amin'ny resaka fanabeazana sy fanovana ny teo-tsaina.
FEPETRA 3
Nilaza ny heviny momba izay indrindra omaly i Tahina Razafinjoelina, filoha nasionalin'ny antoko Tia Tanindrazana, efa kandida filoham-pirenena.Raha tena maniry ny hanatsara ny asam-panjakana manontolo fa tsy izay hita maso sy miseho eto ihany hoy izy dia : voalohany, mila apetraka mazava fa mpiasam-bahoaka ny mpiasam-panjakana fa tsy mpiasan'ny lehibeny. Tsy azo trerotreromina, tsy ampiandrasana lava izao ny vahoaka. Faharoa mila mpahafantarina mazava ny vahoaka ny zony feno fa manjary fanararaotana no iainany. Tsy maintsy misalotra "badge" misy anarana feno ny mpiasam panjakana rehetra.Fahatelo mila apetraka, ary tena mandeha tsara sy miasa ny laharana maintso iadivana amin'ny kolikoly. Voaaro tsada ny mpitory. Afaka mitondra porofo na feo na sary mihetsika na pika sary. Eto dia afaka ampiasaina na ireo vahoaka iharan'ny tsindry na ireo mpiasam-panjakana iharan'ny tsindry avy amin'ny lehibeny. Azo heverina hoy i Tahina Razafinjoelina fa hihena ny kolikoly ary hihatsara ny fomba fiasa raha mba mihatra tokoa izao hevitra izao manomboka eny amin'ny fokotany, fitsarana, fananan-tany, seranana rehetra.
MADAGASIKARA NOMERIKA
Tsy adino ny fanamafisana ny fampiasana ny teknolojia hanatsarana sy hanafainganana hatrany ny fomba fiasa no sady ahafahana mitahiry sy mamoaka ny antontan-kevitra ilaina amin'ny fotoana rehetra. Ampiharina fa tsy atao hirahira propagandy fotsiny ilay "digitalisation" . Ka na teraka tany Tolagnaro aza ilay olona dia afaka mahazo ny kopia lava na any Antsiranana fa tsy hoe tsy maintsy mandeha any amin'ny distrika nahaterahana vao mahazo kopia lava. Karapanondrom-pirenena hatao tena "biométrique" tokoa ka iny ihany dia efa mety kara-pifidianana. Ny resaka fandaminana fifamoivoizana, tsena, sehatry ny fitsaboana, ny fampivadiana ny fambolena sy ny teknolojia, vitan'ny "digitalisation" avokoa. Zavatra azo tanterahina tsara izany, ary vitan'ny teknsiana malagasy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT