Actualités

Ady amin`ny kolikoly Mila finiavana ara-politika goavana


  • Talata 13 Oktobra 2020

Ny taona 2010, laharana faha-123, salanisa 29,9/100, iMadagasikara amin` ny firenena 178 amin` ny ady amin` ny kolikoly. Ankehitriny, lah.

 

 

 faha- 158 amin`ny firenena 180, salanisa 24/100, i Madagasikara araka ny maridrefon`ny kolikoly (indice de perception de la corruption) taona 2019. Saika ny ankamaroan` ireo sehatra dia saika hitrangan` ny kolikoly: Tsena-barom-panjakana, harena an-kibon` ny tany, fananan-tany, fitsarana. Ahitana endrika kolikoly maro koa ny raharaham-panjakana.: fampianarana, fangatahana taratasim-panjakana, fitsaboana. Ny taona 2017 dia napetraka ny vaomiera mpanara-maso ny fitantanana. Ny BIANCO moa moa dia nametraka paikadim-pirenena (SNLCC) hiadiana amin` ity aretina iray ity manerana ny nosy. Efa nisy ny fakan-kevitra tamin` ireo fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny ministera sy ny andrim-panjakana isan-karazany ary ireo mpiara-miombon`antoka mpamatsy vola. Araka izany, tsy tokony ho amin` izao toerana izao isika satria ny rafitra iadiana amin` ny kolikoly efa misy. Aiza izany no tena olana? Anisan`ny mahasarotra ny ady amin`ny kolikoly ny tsy fananana finiavana politika hanao azy fa toy ny mbola mihazohazo hanao, tsy hanao… kanefa mila fahavononana politika hita mivaingana. Maro tsy tambo isaina ny zava-dratsy matetim-pitranga eto amin’ny firenena nefa azo sorohina tsara raha misy ny fandraisana andraikitra. Tena marary ny firenena ary mila fitsaboana maika satria maro ireo karazana loza tafiditra sy mitady handripaka ny vahoaka Malagasy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT