Ahitana kolikoly daholo ny firenena rehetra manerantany. Tsy latsa-danja amin’izany ny zava-misy eto Madagasikara raha ity tranga mamoafady mamotika ny fiarahamonina ity no resahana. Voaporofon’ny laharana misy antsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny mbola dingana goavana tsy maintsy lalovana hampihenana
farafaharatsiny ny tahan’ny kolikoly eto Madagasikara. Mitana ny laharana fahatelo amin’ny fisian’ny kolikoly ny tontolon’ny fitsarana Malagasy. Tombony lehibe ho an’ity departemanta ity anefa ankehitriny ny fananana mpitsara mitarika ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly izay nametraka ho laharam-pahamehana ny fanadiovana ity sehatr’asa niaviany ity. Ho fifanomezan-tanana eo amin’ny roa tonta moa dia fantatra fa mipetraka amin’izao fotoana izao ny paikady famaizana eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Lalana ahatongavana amin’izany ny fanentanana sy fampahafantarana ireo zon’ny olom-pirenena. Hisy tsy ho ela ihany ny fikaonan-doha iarahan’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny Bianco ary Komity fitandroana ny fahitsiana sy ny fahamarinana. Midika ve izao fihetsika izao fa hisava lalana ka ho ohatra voalohany amin’ny fanasaziana ireo mpahay lalàna mandika izany ny fitsarana Malagasy ? Izay no fanirian’ny valalabemandry tsy ampy fahalalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.