Nanatevim-pahalalahana tamin`ny alalan` ny atrikasa fiofanana amin`ny fomba mampahomby ny ady amin`ny kolikoly ny rantsan`ny tetikasa “Ho tantsoroka hahazoam-bokatra” ho an`ny seham-panjakana any amin`ny faritra (PAPSP).
Tetikasa ambanin` ny fiahian`ny tetikasa PREA ary notanterahina teny amin`ny foiben`ny BIANCO teny Ambohibao tamin` ity herinandro ity. Nampahafantarina ny fisehoan`ny kolikoly mety hitranga amin`ny fitantanam-bolan`ny rafitra eny ifotony amin`ny alalan`ny tetikasa mba hisorohana sy misakana mialoha izany. Isan`ny fomba mahomby ny fahaizana mifehy ny fitoroahana izay nandresen-dahatra ireo mpiofana. Nohalanina, araka izany, ny dingana arahina amin`ny fikirakirana ny fitantanana fitarainana sy fitorohana. Isan`ny voafaritra eo anivon`ny PAPASP sy BIANCO ny fametrahana ny paikady hisoroahana mialoha ny kolikoly izay mety hiseho eny amin`ireo tomponandraikitra eny anivon`ireno kaominina sy vola kirakirainy sy ny latsakemboka an-tsekoly sahan`ny tomponadritara eny ifotony. Raha tsiahivina dia miisa 20 ireo rantsan`ny PAPSP izay nandray anjara tamin` ny fiofanana teny Ambohibao ity .
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.