ADY AMIN'NY KOLIKOLY ENY

AMIN'NY SERANAM-PIARAMANIDINA


  • Alarobia 10 Desambra 2025

Hiara-kiasa ny Ravinala Airports sy ny Bianco manomboka izao

Ivon-toerana iray ahitana karazana fanondranana sy kolikoly ny eny anivon'ny seranam-piaramanidina, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Mitaky fanatsarana sy fanaovana izany amin'izao Fitondram-panjakana vaovao mijoro izao ho fiarovana ny voninahitr'i Madagasikara manoloana ireo Firenena marobe any ivelany. Tsy mipetra-potsiny ny orinasa Ravinala Airports manoloana izany. Ity orinasa ity rahateo no mitantana ny seranam-piaramanidina ao Ivato sy ny ao Nosy Bé. Nanamarika ny andro manerantany iadiana amin'ny kolikoly izy ireo omaly Talata 09 Desambra. Fanentanana ireo mpiara-miasa aminy toy ny Ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro, ny Ministeran'ny Fitsarana, ny birao mahaleo tena iadiana amin'ny kolikoly na ny Bianco ary ny Agence de recouvrement des Avoirs illicites no nivoitra nandritra izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpandeha. Ho afaka mitoroka avy hatrany eny anivon'ny Bianco ohatra ireo mpandeha voaporofo fa niharan'ny kolikoly marina...ho an'ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Tsotra ny tanjonay hoy Atoa Daniel Lefebvre tale jeneralin'ny orinasa Ravinala Airports dia ny hanomezana fahafaham-po ny mpandeha amin'ny lafiny rehetra. Fitaratr'i Madagasikara ny seranam-piaramanidina hoy izy no sady toerana statejika ka mendrika hisian'ny fifampitokisana, ny fiarovana ny ain'ny mpandeha sy ny fananany...Efa nametrahana QR code ihany koa ao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato natao handraisana ny fitarainana amin'ny alalan'ny finday ho an'ireo mpandeha mivoaka sy miditra eo anivon'ity seranam-piaramanidina ity.
Pati
Légende : Nandritra ny fankalazana ny andro manerantany iadiana amin'ny kolikoly notanterahina omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT