ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY FAKO PLASTIKA

Mandray anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny SFOI


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

Mahatratra 10.000 Taonina isan-taona ny vokatra vita avy amin'ny Plastika

vokarin'ny Sfoi na ny Societe de fabrication de l' océan indien eto amintsika. Tafiditra ao anatin'izany ireo kojakoja ilan'ny mponina amin'ny fiainana andavanandro toy ny koveta, sceau, zinga, kaopy, lovia...Tsy mitazam-potsiny izy ireo manoloana izany fa mandray anjara mavitrika amin'ny ady hatao amin'ny fiparitahan'ny fako Plastika ihany koa. Sady manimba ny tanim-,pambolena mantsy no mety hiteraka aretina ho antsika zanak'olombelona hoy Rakotomanga Lynda, tompon'andraikitra eo anivon'ny Sfoi raha avela fotsiny any anaty tany ireny fako Plastika ireny. An-jato taonany rahateo izy ireny vao mety levona, indrindra fa ireo lehibe sy vaventy. Havadik'izy ireo hatao lalana rarivato auto bloquant ireo fako Plastika voahangony manoloana izany izay hiarahany miasa amin'ny eny ifotony mihitsy. Ho azy ireo manokana dia mahazaka hatrany amin'ny 40 Taonina ny vesatry ny fiara...hampiasana izany lalana rarivato auto bloquant izay vokariny izany. Fantatra moa fa handray anjara mavitrika amin'ny Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy fiompiana hatao eny amin'ny CCI Ivato izy ireo no sady mpanohana ofisialy rahateo.
Pati
Légende : Rakotomanga Lynda, tompon'andraikitra eo anivon'ny Sfoi !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT