Herintaona katroka izao no nisokafan’ilay trano be hiahiana ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
CPDSM na Centre de Prévention et de Diagnostic en Santé Mentale no anarany, izay toerana natao hitiliana sy hiarovana amin’ireo aretina mpahazo ny saina. Ho fanamarihana izany dia hetsika maro samihafa no nenti-nankalaza ny tsingerintaona anio zoma 20 jona sy rahampitso sabotsy 21 jona ao amin’ny hopitaliben’Ambositra dia ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana natao tamin’ireo olona manana aretin’ny fikorontanan-tsaina sy ireo mifanintona ny tontolo andron’ny zoma 20 jona 2014. Ivon’ny fankalazana kosa ny sabotsy 21 jona izay hosantarina amin’ny fotoam-pivavahana arahin’ny fampirantiana tranoheva ireo asa vitan’ity CPDSM ity nandritra izay herintaona niasany izay. Tsiahivina fa fiaraha-miasa nisy teo amin’ny ONG RTM-ONG Akanin’ny Marary ao Ambositra sy ny Diosezin’i Carpi avy any Italia no nanao ny asa fananganana ny trano. Notokanan’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka teo aloha Dr Ndahimananjara Johanita tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 20 jona 2013 ity trano be hiahiana ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.