Actualités

ADY AMIN’NY FIDOROHANA MAHADOMELINA Hanova paikady ny fikambanana Vokovoko manga


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Manoloana ny firongatry ny fandraisana sy ny fidorohana mahadomelina teto amintsika nanomboka ny taona 2009 dia hanova paikady ny fikambanana Vokovoko manga tarihin’ny filoha nasionaliny Ramandrosoa Herisolo.

Taorian’ny dinika izay notanterahin’ireo mpikambana manerana ny faritra 22 nandritra ny hateloana teny amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy dia  notinapak’izy  ireo fa hanova paikady ny fikambanana. Amin’ny alalan’ny fanabeazana ny olona no hanatanterahany izany ankehitriny raha ady mivantana teo aloha. Tanjona, hoy ihany ity filoha nasionaliny ity ny hanorina tontolo tsy mila zava-mahadomelina. Amin’ny ankapobeny mantsy, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity dia zary tafiditra ao anatin’ny fidorohana tsy fidiny ny tanora iray noho ny faneren’ny fiarahamonina azy. Mitranga izany, hoy izy amin’ny alalan’ny dokambarotr’ireo zava-mahadomelina… Manoloana izany dia hanao ezaka ity fikambanana iray ity. Ezaka izay hisarihina ny firenena ihany koa mba tsy hameno ny kitam-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra alaina amin’ireny karazana fidorohana ireny. Tsara ny mampahatsiahy fa  nankalazaina ny 28 Jolay lasa teo ihany koa, ny faha-55 nanekena ity fikambanana ity ho fanasoavam-bahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT