Mba ho fanatevenana ny ady hatao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny andramena, ny volamena, ny sokatra…dia hisy ny “carte” vaovao entina hanaraha-maso ny lalan’ireo mpihaza. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Alliance Voahary Gasy sy ny Oniverisiten’i Michigan any Etazonia no hanatanterahana izany. Ny 07 Aogositra ho avy izao no hivoaka ny karatra voalohany
. Omaly no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy io fiaraha-miasan’ny roa tonta io, fomba fiasa vaovao izay manana tanjona hanakana ny olom-pirenena rehetra tsy handika lalàna. Eo ihany koa ny fakana ny hevitr’ireo olona eny ifotony mikasika ny zava-misy ao amin’ny faritra misy azy mba tsy handaniam-bola be loatra amin’ny fikarohana sy ny fanaraha-maso atao. Hatomboka amin’ny fiarovana ireo harem-pirenena any anaty ala voajanahary izany raha ny fantatra. Tokony hisy, hoy ny Alliance Voahary gasy manomboka izao ny taratasy hahafahana miditra mazava any amin’ireny toerana ireny fa tsy gaboraraka toy ny teo aloha intsony. Hifanohana amin’izany asa goavana izany ny roa tonta no sady hifanakalo traikefa ihany koa. Ho fanatsarana ny fitantanana sy ny fiarovana ny zava-boary no tena tanjona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.