Actualités

Ady amin’ny asan-jiolahy Manakarama olon-tsotra mpanome vaovao ny Polisy


  • Sabotsy 09 Aogositra 2014

Ho fisorohana ireo ny vaky trano, vono olona sy halatra isan-karazany izay nahazo vahana tao Ambositra tato ho ato dia nahita fika hanatratrarana ireo mpanao ratsy ny pôlisy ao an-toerana. Manomboka izao dia omen’ny pôlisy karama arakaraka izay loharanom-baovao omena izay olona mahalala ireo mpanao ratsy.

Io ilay antsoin’ny pôlisy hoe “recrutement des informateurs”. Efa misy olon-tsotra telo manao ity asa ity ao Ambositra ao, tsy misy mahafantatra ireo olona ireo afa-tsy ny pôlisy ihany. Mbola hisy koa ny famoronana adiresy mailaka haparitaka amin’ny olona hahafahana mahazo ireo loharanom-baovao sy ny anaran’ireo olona ahiana ho mpanao ratsy. Mbola manentana ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa hatrany ny mpitandro ny filaminana ao Ambositra hiadiana amin’ireo asan-jiolahy mitranga.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT