Ady amin'ny ampihimamba

sy kolikoly


  • Alarobia 11 Martsa 2026

Manohana sady nampitandrina i Royaume-Uni

Natao teto an-drenivohitra ny fihaonana lehibe niompana tamin’ny lohahevitra “Fisorohana ny ampihimamba atao amin’ny firenena: ahoana no hanovana ny fiainan’ny olom-pirenena malagasy”, hetsika nokarakarain'ny Transparency Initiative sy ny Oniversiten’i Sussex (Royaume-Uni), niaraka tamin’ny fanohanan’ny Masoivohon’i Royaume-Uni. Nandray anjara ny manampahaizana, ny solontenan’ny governemanta, ny antoko politika, ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena ary ny tanora Gen Z manodidina ny 200, izay samy naneho hevitra sy nanolotra vahaolana momba ny ady amin’ny kolikoly avo lenta sy ny fibodoana fanjakana. Nampiseho ohatra avy amin’ny firenena maro ireo manampahaizana iraisam-pirenena, nanazava ny voka-dratsin’ny fibodoana fanjakana: fihenan’ny toekarena, fitomboan’ny fahantrana, ary fahaverezan’ny fahafahana ara-tsosialy. Naseho ihany koa ny fomba nahafahan’ny firenena sasany nandresy izany, ka nahazo fitomboana ara-toekarena sy fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka. Niverimberina ny antso hisian'ny fifidianana malalaka sy ara-drariny, ny fahalalahana maneho hevitra, ary ny ady mahomby amin’ny kolikoly. Ireo no fototra heverina fa hanokatra lalana ho amin’ny demokrasia matanjaka sy ny fitomboan’ny toekarena. “Faly izahay nanohana ity hetsika ity izay nampifandray ny traikefa iraisam-pirenena sy ny fahaiza-manana eto an-toerana. Manohana tanteraka ny fanirian’ny vahoaka malagasy sy ny vinan’ny Governemantan’ny Fanavaozana i Royaume-Uni, amin’ny fananganana demokrasia matanjaka sy miroborobo.”, hoy Atoa Patrick Lynch, Masoivohon’i Royaume-Uni eto Madagasikara. Nohazavainy fa ny fifidianana malalaka sy ara-drariny amin’ny faran’ny taona 2027 no fototra hanome fahafahana ny olom-pirenena haneho hevitra sy hiady amin’ny kolikoly.
NAMPITANDRINA...
Nampitandrina kosa ny Masoivoho fa misy olona sasany, eto an-toerana sy iraisam-pirenena, manome vahana ny fibodoana fanjakana sy mikatsaka tombontsoa manokana, ka manimba ny tombontsoan’ny vahoaka. “I Royaume-Uni dia hiasa amin’ny mangarahara sy amin’ny fanahin’ny tombontsoa iombonana ho an’ny vahoaka malagasy hatrany. Manan-jo hiandrandra ary hitaky ny vahoaka malagasy mba hanao toy izany koa ny mpisehatra iraisam-pirenena rehetra.”, hoy io diplaomaty io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT