ADSW 2026 any Abu Dhabi

Herijika hanokafan’i Madagasikara fiaraha-miasa stratejika…


  • Talata 13 Janoary 2026

Omaly vao nanainga handeha handray

anjara amin’ny Herinandron’ny Fampandrosoana Lovainjafy na ADSW 2026 (Abu Dhabi Sustainability Week) tanterahana any Abu Dhabi ny 11 ka hatramin’ny 15 Janoary 2026 ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michael. Marihina araka ny efa notaterina teto omaly, fa ireo mpikarakara iraisampirenena ny ADSW 2026 no mandray an-tanana manontolo izay lany rehetra amin’ny fandraisan’ny delegasiônina Malagasy anjara amin’ity fihaonambe ity. Mpitarika avy amin’ny firenena 171 sy minisitra mihoatra ny 1,500 no isan’ny hiatrika an’izany. Lohahevitra lehibe ny : “Nexus of Next: All Systems Go”, manasongadina ny fifandraisana eo amin’ny rafitra rehetra. Nampivondrona governemanta, orinasa ary tanora mpamorona izy ho amin’ny angovo madio sy fiovàna maharitra. Maro ireo hetsika sy herijika ao anatiny, ka ny IRENA Assembly faha-16 no nanokatra ny herinandro, nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny angovo azo havaozina. Nisy ny « World Future Energy Summit » sy ny « Green Hydrogen Summit » izay nanasongadina tetikasa vaovao,... Manamafy ny toerany ho ivon’ny fihaonambe maneran-tany momba ny faharetana ny Vondrona Masdar izay mpikarakara, sangany amin’ny resaka angovo eran-tany. Ho an’i Madagasikara, fotoana heverina fa fanararaotra io, ka irariana ny hahazoana vokatra. Voalaza moa fa hisy ny fihaonana lehibe hataon’ny Filohan’ny Repoblika mba hijerena ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola iraisampirenena vaovao izay nambara fa afaka hifanindran-dalana amin’ny fampandrosoana lovainjafy ho an’i Madagasikara. Ahitana mpikambana ao amin’ny Governemanta sy teknisianina ambony samihafa ireo delegasionina miara-dia amin’ny Filoha. Nosokajiana ho manamarika ny fampidirana an’i Madagasikara amin’ny adihevitra maneran-tany momba ny faharetana sy ny fanavaozana ary manokatra varavarana ho amin’ny fiaraha-miasa vaovao amin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika moa ity dia ity. Tsetsatsetra tsy aritra no ilazana fa, fa isan’ny fihetsika nanamarika ny fiaingan’ny Filoha teny Ivato omaly ny fisavan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana ny entan’ny Filoha mivady tahaka ny an’ny olom-pirenena rehetra ho fanarahana ny lalàna. Andrasana izany ny vokatry ny dia avy any ivelany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT