Adin’ny samy ngeza eny Andranovelona

Mifanolana ny tempoly sinoa sy orinasa mpanao zava-pisotro…


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Monasteran’Andranovelona, izay honenana pretra na «moine» Bouddhiste miisa 60 eo amin’izao fotoana izao. Tempoly Xizu no anarana hisaloran’ny toerana ary tsy mifantoka amin’ny haiady sy fivavahana toy ny mahazatra ireto pretra mitoka-monina ao ireto, raha ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, fa mifantoka amin’ny mozika kosa ankoatran’izay fivavahana amin’i Bouddha izay. Efa hatramin’ny taona 2019 izy ireo no nanori-ponenana teny Andranovelona ary tarihin’ny lehibeny dia ny Grand-maître Shi Wule. Nahoraka ny faraparan’ny herinandro teo, tetsy ankilan’izay, fa misy ankehitriny ny fifandirana amin’ny resaka fananan-tany eo amin’ity tempoly ity sy ny orinasa frantsay mpamokatra zava-pisotro isan’ny goavana ary naharitra an-taonany maro teto amin’ny firenena. Voalaza ho manelingelina ny loharanon’Andranovelona izay isan’ny toerana fampiasan’ity orinasa voalaza teo ity ireto pretra sinoa ireto ka dia andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha satria dia heverina fa adin’ny samy goavana raha tena mitombina sy mihitatra lavitra tokoa ny raharaha.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT