Actualités

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Tovovavy miisa telo no fantatra fa mitondra vohoka


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Tovovavy mpianatra miisa telo hatramin’ny omaly talata 07 jolay nanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena bakalorea tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina no fantatra fa mitondra vohoka, araka ny fanazavan’ny dokotera Andrianjafy Hajanirina, anisan’ireo mikarakara sy mandray an-tanana ireo mpianatra maratra na torana miatrika ity adina ity.

 

 Omaly dia nanatona avy hatrany ireo dokotera ilay tovovavy nilaza ny fitondrany vohoka ary nomena «Certificat médical» avy hatrany mba hahafahany miatrika adina ara-patanjahantena an-tsoratra hotanterahina amin’ny 24 jolay. Nisy tranga iray hafa koa tao amin’ny kianjan’i Saint Michel Amparibe, io omaly io ihany. Ankoatra ireo, dia tovolahy mpiadina iray, 16 taona, tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina no namoy ny ainy ny zoma lasa teo. Torana tsy nahatsiaro tena no niantombohany noho ny ezaka be loatra nataony satria vitany tao anatin’ny 2 minitra sy 40 segondra ny hazakazaka lavitr’ezaka 1.000 metatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT