Actualités

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Nanomboka omaly, haharitra telo herinandro mahery


  • Talata 30 Jona 2015

Nanomboka omaly alatsinainy 29 jona ary hifarana ny 17 Jolay ho avy izao ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea taona 2015 ho antsika eto Antananarivo renivohitra sy ny distrikan’Atsimondrano ary Avaradrano.

 

Mahatratra 40.000 isa eo ho eo ireo mpiadina hiatrika izany amin’ny ankapobeny raha 4.348 kosa amin’ity herinandro ity ahitana ny sokajy A1 sy ny C ary ny A2. Olana iraisan’ny mpianatra rehetra omaly andro voalohany ny fanadinoana ny kara-panondrom-pirenena ankoatra ny tsy fananan’izy ireny taratasy fiantsoana na convocation mety ho avy amin’ny sekoly nefa mety ho amin’ny paositra ihany koa. Manodidina ny 30 teo ho eo izy ireo no voakasik’izany omaly maraina, raha araka ny fanazavan-dRamose Hery,  chef de centre eo anivon’ny lycée Rabearivelo. Voatery nanaovana fandaminana hafa mihitsy moa izy ireo ary miverina amin’ny andro manaraka, raha ny fanadihadiana natao. Marihina moa fa nanomboka omaly ihany koa ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ho an’ny teknika saingy teny Alarobia no nanatanterahana izany. Miisa telo ireo dingana tsy maintsy nolalovan’ny mpiadina, nahitana ny fanatanjahantena ho an’olon-tokana toy ny vitesse, ny lomano…Ny fanatanjahantena iraisana toy ny foot na basket ankoatra ny hazakazaka 1.000 metatra ho an’ny lehilahy ary ny 800 metatra ho an’ny vehivavy. Misy ireo dokotera miandry tsy miato eny an-toerana ka ho an’ny kianjaben’i Mahamasina manokana dia miisa dimy izany.


 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT