Hotanterahana amin’ny fomba tsotra anio 17 oktobra
etsy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana etsy Ambohidahy ny fihanianan’ny Filoham-panjakana vaovao Randrianirina Michael raha ny fampahafantarana ofisialy nivoaka afak’omaly. Somary miteraka adihevitra io, teo anatrehan’ny fanambarana am-bava nataon’ny Filankevitra miaramila ho an’ny fanavaozana teny Ambohitsorohitra ny 15 oktobra 2025 izay namaritra fa horavana ny HCC, CENI, Antenimierandoholona, HCDDED, raha voatazona kosa ny Antenimierampirenena. Mbola tsy nisy didim-panjakana ofisialy anefa na izany aza nilatsaka sy mampihatra an’ireo. Nisy rahateo avy eo ny fanapahanan’ny HCC izay niangavy ny Kolonely Randrianirina Michael handray ny fitantanana ny Firenena noho ny fahabangan-toeran’ny Filoham-pirenena sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona tokony hisolo azy. Adihevitra politika mandeha ny hoe : tokony sa tsy tokony hanao fianianana amin’io lalàmpanorenana io ny Filoham-panjakana vaovao ? Misy ny manasokajy fa lalàmpanorenana efa maty io, ary anisan’ny mila ovaina. Andaniny ihany koa anefa, dia endrika iray fidirana amin’ny lamina voafaritry ny lalàmpanorenana na « ordre constitutionnel » mba hisian’ny fahamarinan-toerana na « stabilité » io. Tena hahavaha olana ve anefa sa vao mainka hamatotra sy hamono ? hoy ny mpandinika. Henkakenjana ny mety ho fifanoherana mikasika ny lalàna ao anatin’io saingy inoana fa olon-kendry ny Filoham-panjakana sy ireo mpiara-manapa-kevitra aminy ka mahalala ny làlana hivoahana ao anatin’ny olana ka hahafahana mametraka fototra sy lamina tena hitondra soa ho an’ny Firenena sy ny vahoaka. Isan’ny nofaritan’ny HCC ny hanaovana fifidianana anatin’ny 60 andro. « Fifidianana eken'ny rehetra no ho atao fa tsy fifidianana izay ekenay fotsiny na eken'ny sasany. Mila hovaina ny lisitry ny mpifidy, mila jerena ihany koa ny handrafetana ny CENI, izay vao afaka miresaka fifidianana », hoy ny Filoham-panjakana, izay midika fa tsy mitombina aloha ilay 60 andro.
Notsindrian'ity filoham-panjakana ity moa fa tsy fanonganam-panjakana no nitranga noho ny fisian'ny didy navoakan'ny HCC, izay ara-dalàna. Aorian'ny fianianana vao afaka mamoaka ny anaran'ny
ANDRASANA IZAY HO PRAIMINISITRA
Andrasana ihany koa manomboka aorian’ny fianianana an’io izay ho Praiminisitra vaovao. Anarana maro no re siosio sy tombatombanan’ny mpanara-baovao saingy ny Filoham-panjakana no tompon’ny teny farany ary mety tsy ho amin’ireo anarana mandeha aza. Anisan’ny voaresaka ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ny Minisitra teo aloha Hajo Andrianainarivelo, ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Christine Razanamahasoa, ny mpahaitoekarena Serge Zafimahova,… Tombatombana avokoa izany, fa dia andrasana ny tohiny, ary mety tsy ny iray amin’ireo aza. Asa ihany koa izay ho fipetrany satria raha ny lalàmpanorenena ankehitriny dia ny Vondrona politika manana ny maro an’isa no manolotra anarana araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Nilaza ho efa miomana io andrim-panjakana io raha ny Filazan’ny filohany Siteny Randrianasoloniaiko omaly. Stratejika be ny toeran’ny Praiminisitra ao anatin’izao toe-draharaha izao satria na tiana na tsy tiana dia anaty krizy aloha isika izao, tsy maintsy mandamina sy mifehy ny Firenena, hiatrika ny lavaka navelan’ny fitondrana volomboasary, hisedra ny mety mbola paikady maloto ataon’ny Fitondrana niangona, mety hisedra olana ara-bola noho tantely afa-drakotra ny volam-panjakana, ny mety ho ankivy iraisam-pirenena,… Anaty tetezamita ihany koa dia tsy hahafahana tena mamaha ireo fitakiana samihafa toy ny ara-tsendikaly, fa fotoana hametrahana ny fototra sy lasitra hitantanana ny Firenena, hanomana fifidianana madio sy milamina,... Tena tsy mora noho izany ny miandry ny Filoha sy ny Praiminisitra, izay tena mila mafy be amin’ny fitantanana sy fivoahana amin’ny krizy, diplaomasia, vola, fampiodinana ny Fanjakana,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.