Adiadin’ny samy tovovavy tao Antsiranana

Roa naiditra am-ponja, 4 nahazo fahafahana vonjimaika


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Nahazoam-baovao matetika tato ho ato ny adiadin’ny samy tovovavy ao Antsiranana ao.

Miisa 6 izy ireo no voakasik’izany ny faran’ny herinandro teo ka ny 2 naiditra am-ponja raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa ambiny rehefa avy natao famotorana sy nandalo teo anivon’ny fampanoavana. Vesatra nanenjehana azy ireo ny fanakorontanana saim-bahoaka amin’ny alalan’ny adiadin’andian-tarika na groupes : XENDER sy VOYELLES ka mifampihantsy anaty tambajotran-tserasera Facebook no sady mifanome fotoana hiady ka alainy sary ny ady ataon'izy ireo dia haparitany anaty tambajotran-tserasera Facebook indray avy eo. Betsaka ireo tsy nahazaka izany no sady voararan’ny lalana rahateo ny fanaovana izany antony tsy maintsy nakana azy enim-bavy ireto. Fantatra moa fa handray andraikitra feno amin’ny fijerena ireo vondrona mifampihantsy anaty tambajotran-tserasera Facebook ireny ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ho fiarovana ny ain’ireo tantsaha sy hanovana ny toe-tsaina tsy ho liana amin’ny fanaovana valifaty.
Pati
Legende : Ireto ry zareo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT