Mitombo ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fikambanana ho an` ny fampandrosoana amin`ny angovo azo amin`ny masoandro (ADES) Madagasikara,
izay manohana sy miezaka hatrany hanaparitaka ny fatana mitsitsy saribao sy kitay. Mitombo ny olona tia mampiasa ny fatana ADES eto amintsika satria azo tsapain-tanana ny tombotsoa hita eo amin’ny fihenàny fandrehitra ampiasaina raha oharina amin’ny fatapera. Ao anatin` ny tetikasa izay vatsian` ny masoivohon` i Suisse ny taona 2016, izay iarahana amin`ny ADES dia “cantines scolaires » miisa 21 ao anatin` ny disitrikan` i Taolagnaro no nisitraka fatana 106 isa. Misandrahaka amin’ny lafiny maro ny sahan’asa fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny ADES fa tsy mijanona fotsiny amin’ny famokarana sy fanaparitahana fatana mitsitsy. Ao ny fanabeazana ara-tontolo iainana atao eny anivon’ireo sekoly hoan’ny ankizy sy ny mpanabe ary ny ray aman -drenin’ny mpianatra, fampianarana ny ankizy eny antsekoly hamboly hazo. Ao koa ny tanin-janakazo sy fampiofanana ny mpiara-miombon’antoka sy ny vondron’olona ifotony hamboly hazo, ny fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana mitsitsy fandrehitra ADES, fanamboarana lafaoro lehibe ari-fomba handrahoana tanimanga, famatsiana ny VOZAMA hamboly hazo roa isakin’ny fatana lafo, fanofanana ireo olon-tsotra mivarotra ny fatana mitsitsy ADES, fiaraha miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.