ADALA NIRENIRENY TENY ITAOSY

Nikapoka « bois rond » olona maro i Lova Doris


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Manodidina ny 40 taona mahery eo Randrianatoandro Lova Doris, adala nirenireny,

monina any Imerimandroso/Ambohidrapeto. Tsy mba toy ireo adala sasany anefa izy io fa tena mamono mihitsy. Raha araka ny loharanom-baovao azo avy amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena Itaosy omaly dia nandratra olona maro tamin'ny alalan'ny kapoka bois rond sy tora-bato ilay ranamana io. Nitsoaka izy taorian’izany, fihetsika izay tsy azo lazaina ho tena adala ihany ary nitsofoka tao amin'ny biraon'ny Tobim-paritra zandarimaria nasionaly Itaosy. Tsy niandry ela moa fa avy hatrany dia niantso ireo fianakaviany ny mpitandro ny filaminana mba handray ny andraikiny momba an’i Lova Doris. Ho an’ireo naratra moa dia nankahery azy ireo ny zandary no sady tsy nisakana ireo izay tena hifampiresaka mivantana ihany koa. Tsiahivina moa fa andraikitry ny kaominina ny mijery ireny olona adalana mirenireny ao amin’ny faritra misy azy ireny. Aterina eny amin’ny toby izy ireo aorian’izany saingy tsy maintsy hiantohana kosa ny sakafony mandrapahasitrany. Efa hatramin’ny ela ihany koa mantsy no nisedra olana ny ivon-toerana mandray ireny olona adala ireny eto amintsika.
Pati
Legende : Ity i Lova Doris, anisan’ireo adala mirenireny eny Itaosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT