ACMIL Antsirabe

Nivoaka ny andiany Amiraly Didier Ratsiraka


  • Talata 29 Aogositra 2023

Manam-boninahitra miisa 58 nahavita fiofanana sy nandalina ireo fototra rehetra mamaritra ny soa toavina miaramila

nandritra ny telo taona tao amin'ny Akademy Miaramila Antsirabe (Acmil) indray no navoaka tamin'ny fomba ofisialy omaly nandritra ny lanonana ara-miaramila Fandresena 2023. Amiraly Didier Ratsiraka no anarana nisaloran'ireto andiany mivantana faha- 44 ireto. Andraikitra goavana sy masina no nanoloran'izy ireo tena, hanatevin-daharana ny Foloalindahy ary indrindra hanamafy ny velirano voalohany napetraky ny Filoham-pirenena. Handray anjara amin'ny fandriampahalemana, hiaro ny fiandrianam-pirenena ireo manam-boninahitra ireo ary tokony ho maodely hatrany hoy ny Filoham-pirenena ho andry iankinan'ny fampandrosoan'i Madagasikara. Lanonana famindrana sabatra, famindrana faneva, fametrahana galona sy fitsofan-drano ny andiany mivantana faha-46 miaraka amin'ny andiany manokana faha-26 izay nofaranana tamin'ny matso.Foto-drafitrasa maro tao amin'ny sekoly no nasim-panavaozana ary notokanana ihany koa tamin’ity andron’ny omaly ity.Nanome voninahitra sy nanotrona ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sady Filoha faratampon'ny Foloalidahy sy Ramatoa vadiny ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta ary ireo manam-pahefana any an-toerana.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT