Nifarana ny fiofanana niarahana tamin’ny miaramila Frantsay
Nifarana ny Alarobia 10 Septambra 2014 lasa teo ny fiofanana ara-miaramila nampanaovin’ireo manampahaizana manokana avy amin’ny 2eme Régiment Parachutiste d’Infanterie Marine na ny 2eme RPIM avy ao amin’ny Nosy La Reunion ny
manamboninahitra avy ao amin’ny ACMIL sy manamboninahitra lefitra avy ao amin’ny ENSOA, izay miasa sy mampianatra eo anivon’ny ireo sekoly roa ireo. Raha ny nambaran’ny Komandin’ny Akademia Miaramila, Ny jeneraly Rakotonirina Léon Jean Richard dia fitohizan’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny tafika Frantsay sy Malagasy izao fanofanana izao ho fanatsarana sy fampanarahana ny toetrandro ny fanofanana ara-miaramila eto Madagasikara mba hananany fahaiza-manao tsaratsara hatrany. Ankoatra ity fiofanana natao teto amin’ny Akademia miaramila ity dia fantatra ihany koa raha ny fanazavana fa efa any amin’ny Nosy La Réunion manaraka fiofanana amin’ny filatsahana an’elonaina ny mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana faha-35 sy faha-36 amin’izao fotoana ka hifarana ny 12 Septambra izao koa izany, ahazoan’izy ireo ny marika maha mpilatsaka an’elonaina, izay marihina fa sambany eo amin’ny tantaran’ny tafika Malagasy ny fisian’ny vehivavy voalohany ho an’izany mpilatsaka an’elonaina izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.