ACM

Mpiasa 107 nampidirina tsy ara-dalàna


  • Talata 24 Martsa 2026

Anisan’ny natsikafon’ny Fitsarana

momba ny kaonty na ny Cour des comptes ihany koa ny toe-javatra ara-pitantana tao amin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), indrindra eo amin’ny fitantanana ny mpiasa sy ny fomba fandraisana olona. Nambara fa tsy feno ny antontan-taratasin’ny mpiasa, misy fanovana sata tsy misy fanazavana, ary tsy voahaja ny fitsipika momba ny tsenambaro-panjakana. Ny rafitra anatiny koa dia heverina ho sarotra loatra ka manasarotra ny fikarakarana. Voamarina fa 107 mpiasa no noraisina ivelan’ny fomba ofisialy. Na izany aza, nanamafy ny mpitantana vola fa nahazo karama ara-dalàna hatramin’ny nanombohan’ny fifanarahana ireo olona ireo, na dia tokony ho ny « expert-comptable » aza no manamarina ny fahamarinan’ny taratasy fandoavana. Nampiseho ihany koa ny tatitra ny tsy fisian’ny fahitana mazava, ny fisian’ny fandraisana olona tsy ara-dalàna, ny fanokafana fifaninanana anatiny sy ivelany indray mandeha tsy misy antony, ary indraindray aza dia manome diplaoma aorian’ny fandraisana. Amin’ireo antontan-taratasy 196 nodinihina, mpiasa42 izany hoe 21% no tsy manana mari-pahaizana na traikefa mifanaraka amin’ny fepetra takiana. Manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna ireo, ny Cour des comptes dia manoro hevitra ny hanamafisana hentitra ny fitsipika momba ny fandraisana mpiasa, ny fanamarinana ny diplaoma, ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy ny rafitra ao amin’ny ACM. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny sampan-draharaha tafiditra tao anatin’ny raharaha boeing 777 ny ACM tamin’ny fanomezana laharana Malagasy vonjimaika ireo fiaramanidina 5 nalefa tany Iran, firenena nosazian’ny Amerikanina sy ny Tandrefana tsy afaka mividy sy mampiasa ny teknolojian’ny fiaramanidina vokarin’izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT