Efa taona maro izao no niditra an-tsehatra amin’ny fanomanana ireo kandida hifaninana hiditra ho mpiasam-panjakana ny ABC School. Mpampianatra efa manana traikefa sy za-draharaha amin’ny fanovozam-pahalalana rahateo no misahana ny fampitana ny lesona amin’ireo mpifaninana misafidy ity toeram-piomanana ity
. Manomboka amin’ity volana septambra ity moa ny fampiofanana ireo kandida maniry ho mpiasam-panjakana sahanin’ny sekoly. Anisan’izany ny mpianatra polisy sy zandary manana diplaoma Bepc, inspektera sy miaramila ary mpitantsoratra eny amin’ny fitsarana manana diplaoma bakalorea miaraka amin’ny manamboninahitra manana diplaoma bakalorea miampy 2 taona. Nahavelom-bolo tanteraka ny mpitantana ny sekoly moa ny fampanantenana nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana ny amin’ny fanaraha-maso akaiky ny fanatanterahana ny fifaninanana hiditra ho mpiasam-panjakana. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampiofanana homena ny fanentanana sy fampaherezana manokana ireo mpifaninana tsy hihemotra amin’ny mety ho fisian’izany fomba mamohehatra izany fa hifantoka kosa amin’ny fampianarana sy fanarahana an-tsakany sy an-davany ireo toromarika izay omena azy ireo. Mino sy resy lahatra ny talen’ny sekoly, Aurélie Razafimanantsoa, fa tena ireo kandida mendrika tokoa no horaisina ho fonksionera manomboka izao. tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.