Abattoir Dynamique Solidarité

«Aoka mba ho ny tena fahamarinana no hivoaka!»


  • Zoma 21 Jona 2024

Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena no efa niteny izahay fa tokony alamina aloha ny tokontanim-pifidianana,

hoy ny ADS na Abattoir Dynamique Solidarité. Indrisy anefa, hoy ny filohan’izy ireo, Lova Andrianjaka, fa nandeha ihany izany fifidianana izany. Efa fantatra hatramin’ny voalohany, ny olona mpiaradia amin’ny fitondrana nanjary lasa nanohitra azy. Nanjary lasa misy lonilony. Tahaka izany koa ny mpanohitra. Rehefa manohitra toa manohitra sadasada tsy hita be eny ihany. Mifamahofaho be ny toe-draharaha. Tsy dia mahagaga raha misy ny savorovoro. Tokony hampihatra ny tena mangarahara tanteraka ry zareo eo amin’ny fitondrana, araka ny tena safidin’ny vahoaka tena nandray anjara tamin’ilay fifidianana. Tahaka izany koa ny aty amin’ny fanoherana hoe rehefa vahoaka nifidy anareo tokoa dia hampiteneno! Mitodika any amin’ny HCC hoe aoka hanjaka ny rariny sy hintsiny! Antsoina manokana ny filohan’ny HCC mba tsy hanara-drenirano ilay hoe tsindry fa mba valim-pifidianana marina mangarahara no avoaka. Betsaka ireo nangataka fampitahana sy fitadiavana ny marina rehetra ka aoka ny tena safidim-bahoaka isaky ny distrika marina no tena hiseho mba tsy hisian’ny korontana intsony aorian’ny fifidianana! Ny antony hivorivorian’ireo herivelona politika tahaka ny Firaisankina any amin’ny biraony sy ireo herivelona sasany any amin’ny misy azy avy any izao dia ho fikatsahana izay tena fahamarinana izay. Aoka mba ho ny tena fahamarinana no hivoaka, hoy hatrany ny ADS!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT