8 MIANAKA NITRANDRAKA VOLAMENA

Maty tototry ny tany, 8 taona no zandriny indrindra


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

Miseho lany isan’andro ny fahantrana lalina mianjady amin’ny Malagasy.

Tsy misy ankizy sy olon-dehibe intsony ankehitriny fa tsy maintsy mifanampy sy mifanome tanana hampandehanana ny fiainana ao an-tokantrano toy ny azy 8 mianaka kely maty tototry ny tany tao amin’ny Fokontanin’i Mahatsinjo tao Ambohimangakely, distrikan’i Miarinarivo ny 01 Novambra lasa teo. Vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana avokoa no mahatonga izany. Raha araka ny vaovao azo dia mpihady volamena no asan’izy ireo. Raim-pianakaviana 60 no zokiny indrindra izay mpitarika azy ireo raha zaza vao 8 taona monja no zandriny indrindra. Rehefa nihady tany tsy nitsahatra anefa izy valo mianaka ireo dia nihotsaka tampoka ilay tany ka maty tototra tao avokoa izy ireo, tokony ho tamin’ny 02 ora sy 45 minitra folakandro. Ny 02 Novambra tokony ho tamin’ny 07 ora maraina vao hita avokoa ny vatana mangatsiakan’izy ireo hoy ny vaovao rehefa nifandrimbonan’ny fokonolona. Tsiahivina moa fa mbola tena mahazo vahana tanteraka ny fitadiavambola amin’ny alalan’ny fiadiana volamena any amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny.
Pati
Legende : Nandritra ny famoahana ny vatana mangatsiakan’izy 8 mianaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT