Actualités

67HA Nosamborina ireo mpivarotra katy


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Maro ny fitarainan'ireo mponina sy ireo Ray aman-dreny

mahakasika ny fivarotana "Katy" eny amin'iny faritra 67 ha Avaratra iny tato ho ato. Betsaka mantsy ireo mpianatra sy zaza tsy ampy taona izay lasa manaotao foana sy miankin-doha mihitsy amin'ny fanjifana io katy io, antony nanosika ny polisim-pirenena nanao hetsika. Nidina ifotony nijery ny zava - misy ireto farany vokatr’izany ka tra -tehaka teo am-pivarotana izany zava-mahadomelina izany ny lehilahy miisa 03. Mbola nahitana Katy milanja 36,100 grama teny amin'izy ireo. Fantatra fa 10.000 Ar no hamarotany ny tangozana ary iray volana izao no nanaovany izany asa izany. Natolotra ny Fampanoavana afak’omaly 06 febroary izy telolahy ireo ary naiditra am-ponja vonjy maika.
HIHITATRA NY FANENJEHANA ?
Nanaitra ihany koa ny serasera samihafa nandeha omaly nilaza fa isan’ny mampirongatra ny fanolanana io noho fihinanana an’ity karazana zava-maniry voasokajy ho « drogue douce » ity ho manetsiketsika ny retsika sy mety hampiakatra ny filàna ara-nofo. Miteraka adihevitra samihafa anefa na izany aza ny firosoana amin’ny fanenjehana ny mpihinana azy satria misy faritra toy ny any Avaratra dia tena maro no mihinana izany tsy amin’ahiahy, fa tena eny imasom-bahoaka. Hiihatra ve izany ny fanenjehana ?

Pati
Legende : Ireto izy telolahy mpivarotra katy eny amin’iny faritra 67 ha avaratra iny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT