Actualités

67 ha sy ny manodidina Lehilahy iray tratra nivarotra « cocaïne »


  • Talata 25 Aprily 2023

Lehilahy iray 36 taona mpivarotra "cocaïne" eny amin'ny faritra 67 ha sy ny manodidina iny no tra-tehaky ny polisy

nanao fanamiana sivily avy ao amin'ny sampan-draharaha miady amin'ny zava-mahadomelina Anosy ny Alakamisy 20 aprily teo . Tao amin’ny toeram-ponenany no tratra ity lehilahy ity tokony ho tamin'ny 02 ora folakandro. Hivoaka hivarotra zava-mahadomelina ity farany no nifanehitra tamin'ny polisy ka dia noraisim-potsiny avy hatrany. Rehefa natao ny fisavana azy dia nahitana rongony mahery vaika : "COCAÏNE" milanja 0.23 grama ary mizana fanandajana izany teny aminy . Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary noentina teny amin'ny birao ny Polisim-pirenena misahana izany atao fanadihadiana. Teo no nahafantarana fa ireo olona eo amin'ny manodidina ihany no mpanjifa sy mpividy ao aminy araka ny voalazany . Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT