Fiara iray BMW X5 no nirehitra tampoka omaly atoandro teny amin’ny 67 ha avaratra raha iny avy nodiovina nosasana tsara iny.
Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia nisy zavatra nipoaka tampoka tao anatin’ity fiara ity, antony niteraka ny firehetany. Betsaka moa ireo nilaza fa mety ho briquet, na afokasoka tavela teo ambony tableau io nipoaka io vokatry ny hafanana be tao anaty fiara ka izao namoa-doza izao. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Potika tanteraka kosa ny ampahan’ilay fiara vokatry ny firehetana na dia efa nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo aza ireo olona teny amin’ny manodidina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.