Navaozina ho fotodrafitrasa mahasarika ny tany malalaka ao avaratra atsinanan’i 67ha.
Kianja tsy nisy nampiasa nandritry ny taona maro izy io, raha ny fanazavan’ny fikambanan’ny tanora ao amin’ity vakim-paritra ity, no nohajarian’izy ireo ary nananganana kianja filalaovana basikety ihany koa. Tanjona, hoy izy ireo, ny mba hahafahan’ireo tanoran’i 67 ha miala voly amin’ny alalan’ny fampiasana izao foto-drafitrasa vaovao izao. Eo indrindra koa ny hanafoanana hatrany ny fidonanam-poana sy mba hahafahan’ireo tanora mitaiza vatany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.