Fiara 4X4 iray avy any Fianarantsoa no nodomin’ny kamiao avy any Toliara teo amin’ny lalam-pirenena faha-3, PK 468-200, fokontanin’Andalamahitsy, ao amin’ny kaominina Ambanivohitr Antsena, distrikan’Ankazondandy ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva.
Tsy fahatomombanana tao amin’ny moteran’ilay kamiao no niteraka ny loza, raha ny fanazavana. Namoy ny ainy i Francisca Poch Montaner, 62 taona, mpizahatany teratany espanola avy any Fianarantsoa ho any Anja tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Samy nahitana fahasimbana ireo fiara roa nifandona, raha ny nambaran’ny borigadin’Ambalavao misahana ny raharaha ary mitohy ny fanadihadiana. Mampitohivakana ny lozam-piarakodia, indrindra amin’ireo lalam-pirenena eto amintsika ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fanaraha-maso ny taratasin’ireo fiara eny amin’ireo toerana voatokana hizahana izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.