Actualités

4x4 namaky barazy teny Ivandry Tapa-tongotra ilay polisy


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Nisy sakana napetraky ny polisim-pirenena tetsy Ivandry ho fampiharana ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina.

Tokony ho tamin'ny 09 ora alina anefa dia nisy fiara 4x4 Rexton nandalo teny an-toerana ka nosakanan’izy ireo. Nangatahana tamin'ilay mpamily ny taratasy fahazoan-dalana mivezivezy sy ny antontan-taratasy rehetra mahakasika azy sy ilay fiara nentiny ny mpitandro ny filaminana. Tsy nety nanome izany ilay mpamily ary nilaza fa mahafantatra olona ambony ka hiantso izany rehefa tsy avelan'ny polisy mandeha. Taorian'izay dia novelomin'ilay mpamily ny fiarany ary niverin-dalana izy saingy polisy iray no nitsiany ka tapaka ny tongony . Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary rehefa nojerena tamin'ny "alcootest" izy dia fantatra fa avy nisotro toaka koa. Voatery notazonina ity lehilahy ity nandritra izany izay marihina fa 34 taona.

 

Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT