Tanteraka ara-bakiteny amin-dRakotoarivelo Samuel ilay hira ventesina any am-piangonana hoe : « Afaka aho, afaka ny gadrako…
afaka aho ankehitriny ». Hody, ho eo anivon’ny fianakaviany Rakotoarivelo Samuel rehefa avy namita sazy 40 taona tao Nosy Lava, Distrika Analalava, Faritra Sofia. « Incendie volontaire» na doro trano niniana natao no nanamelohana azy ka nampidoboka azy tao amin'ny fonjan'i Nosy lava ny 08 septambra 1980. Vita ankehitriny ny saziny. Voalaza fa isan’ireo nisitraka ny fanalefahan-tsazy nomen’ny filoham-pirenena ny 9 janoary 2020 Rakotoarivelo Samuel. Omaly alakamisy 22 oktobra izy no niala tao Nosy Lava. Ny Ben'ny tanàna Analalava, Talentino Hilaire no naka sy niantoka ny fahatongavany ao Befotaka Avaratra. Anio zoma 23 oktobra izy hiazo an’Antananarivo hamonjy ny fianakaviany, izay voalaza fa hitsena azy eny amin’ny Gare Maki Andohatapenaka. Ny fikambanan'ny teraka Antananarivo no nandray an-tanana ka hiantoka ny fahatongavany aty Antananarivo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.