40%n’ny famatsiana ny JIRAMA

“Ataon’ny Filatex Energy”


  • Zoma 05 Janoary 2024

Misy tetikasa hanao an’i Nosy be ho nosy maitso ary efa mandeha izany,

hoy ny talen’ny fitantanana eo anivon’ny Filatex Energy, Tahiana Ramaromandray. 5 Mégawatt izy io ary tanjona ny hametraka angovo azo avaozina madio, hoy izy. Tsy voatery ho dradradradraina isaky ny tambazotra izany fa asan’ireo ekipa any ambadimbadika any. Tsy maintsy hisy ampahany hajanona ho angovo mahazatra na “thermique” ihany anefa satria tsy afaka mandeha irery aloha hatreto ny angovo azo avaozina. Ny tena tanjona dia ny hanomezana herinaratra manerana ny nosy satria io izao no tena ilaintsika. Tsy latsaky ny 250 Mégawatt ny filàna herinaratra amin’ny alina ho an’ny eto Antananarivo fotsiny. Indraindray tsy ampy io. Faran’izay tsy maintsy atao ny mamboly hazo. 40%n’ny famatsiana ny JIRAMA dia izahay no manao azy fa ny tena zava-dehibe ho anay dia ny hoe ny anjaran’ny angovo azo avaozina izay mbola latsaky ny 10% no mila ampiakarintsika. Rehefa miakatra io dia mihena ny filàna solika. Mahakasika ilay 17 miliara Ariary tahiry na “épargne” dia manana “Parc solaire” na fanovozana angovo amin’ny herin’ny masoandro miisa 2 izahay any Toliara sy Antsiranana. 2,4 Mégawatt ilay ao Toliara ary 2,9 Mégawatt ao Antsiranana. Rehefa mandeha amin’ny heriny manontolo mandritry ny andro ireo “Parc solaire” miisa 2 ireo dia manajanona maotera miisa 2 izahay. Ny 1 any Antsiranana. Ny 1 any Toliara, ao amin’ny ivontoeram-pamatsiana na “central thermique” anay. Manena solika ny fanajanonana an’iny. Iny ilay tombony omena ny JIRAMA. Tombony ho anay ato amin’ny Filatex Energy ny fananana “central thermique” satria ahitana mivantana ny fiasan’ilay “Parc solaire” ataonay izay, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT