4 MIANAKA INDRAY MATIN'NY HAINTRANO

Miahiahy zavatra hafa ny fianakaviany


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Manoloana ny haintrano niseho tao amin'ny Fokontany

Mangily, distrikan'i Toliara II ka nahafaty olona 4 mianakabe izao ny Zoma 17 Oktobra lasa teo dia nitafa tamin'ny mpanao gazety tao Belalanda ireo fianakavian'ny maty. Miahiahy zavatra hafahafa izy ireo raha bangoina. Tsy mba andro alina mantsy no nisehoan'ilay haintrano fa andro atoandro tokony ho tamin'ny 02 ora folakandro. Tsy nisy tafavoaka tao an-tokantranony mba hanavo-tena anefa izy 4 mianaka ireo hoy ny fanazavana. Nanampy trotraka izany dia tao anaty koveta no hita ny nofo mangatsiakan'izy 3 mianadahy raha teo akaikin'izy ireo kosa ilay Reniny. Miangavy ny manam-pahefana ny havan'ny maty araka izany mba hanokatra ny fanadihadiana momba izao toe- javatra mampalahelo izao. Marihina fa vao 28 taona ity Renim-pianakaviana maty ity. 5 taona kosa ilay zanany voalohany izay tokony ho afaka hiantso voanjy ihany. 3 taona ilay faharoa raha vao herin-taona mahery ilay farany.
Pati
Légende : Izy 4 mianaka namoy ny ainy ! Ireo fianakavian'ny maty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT