Roa no maty, zazalahy iray sy ramatoa efa lehibe iray, 27 kosa no naratra mafy vokatry ny fifanosehana nitarika ny faharavan’ny vavahady teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly hariva nandritra ny podium goavana...
Nentina teny amin’ny hopitaly HJRA avy hatrany moa ireo niharam-boina rehetra. Mampalahelo ny tranga tahaka izao ary tokony hampieritreritra ny manampahefana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Rehefa vita ve izany ilay matso tamin’ny maraina ka lasa daholo ny manampahefana na ireo vahiny ambara fa manan-kaja dia goragora amin’izay ny fandaminana sy ny fitandroana ny fandriampahalemana ka avela hanao izay tiany eo ny olona ? F’angaha moa tsy misy mpiambina sy mpanara-maso eny Mahamasina mandamina ny fidirana sy ny fivoahana ? Omaly hariva ihany moa dia efa nitsidika ireo niharam-boina no sady nankahery ireo namoy ny havany ny mpitondra fanjakana notarihan’ny praiminisitra Kolo Roger sy ny PDS-n’Antananarivo Renivohitra Ny Hasina Andriamanjato. Tao anatin’ny 5 volana dia efa in-droa sahady izao no nahafaty olona ny lanonana natrehan’i Hery Rajaonarimampianina teny Mahamasina. Teo aloha ny baomba nipoaka ny harivan’ny 25 janoary nanaovany fianianana, dia izao indray olona roa no maty noho ny fifanosehana raha ndeha hanatrika ny 26 jona voalohany amin’ny maha filoha azy izy. Mampieritreritra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.