Actualités

26 jona Magro Behoririka Ny kaomisiona politika no tompo-marika


  • Zoma 27 Jona 2014

Nifamotoana tokoa tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, araka ny nifanarahana, ireo mpitolona mpitaky ny ara-dalàna miandry ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na i Dada araka ny fiantson’ireo zanany azy hatramin’ny taona 2009

Tsy mbola tonga mantsy hatramin’izao ity nandrasana. Ny kaomisiona politika no tompo-marika amin’ny zavatra atao, araka ny filazan’ireo mpikabary nifandimby. Ankoatra ny fanentanana an-kabary mahazatra dia korana an-dapihazo niangalian’ireo mpanakanto zanak’i Dada no tena nibahan-toerana tetsy Behoririka omaly sy ny fizarana ireo vary natolotry ny filohan’ny ankolafy Ravalomanana  manokana mba ho solombodiakoho sy hanaovan’ny mpitolona fety. Fa nanolotra lelavola 240.000 ariary  ny prezidà  Marc Ravalomanana sy ireo solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, hanaovan’ny mpiara-mitolona ao amin’ity kianja ity fety ka ny mpitari-tolona Zafilahy no nandray izany sy nisaotra ny mpanolotra tsy manadino ny loharano nipoirana. Omby 3 no fantatra fa ho vidiana amin’io vola io mba hiarahana mifampizara ny nofon-kena mitam-pihavanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT