Actualités

25 taonan’ny Annick Beauté


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Homarihina amin’ny alalan’ny fampisehoana taovolo avo lenta Mankalaza ny faha-25 taona nijoroany ny ivontoerana fikoloana sy fikarakarana endrika amam-bika Annick beauté etsy Antsakaviro

 


. Lanonana goavana izay tsy fahita teto amintsika no hanamarihana izany ny sabotsy 4 jolay hariva ho avy izao etsy amin’ny trano malalaky ny garan’i Soarano Analakely. Nambaran-dRakotoarison Liva Annick, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Annick beauté tamin’ny mpanao gazety omaly fa  fampisehoana an-tsehatra momba ny taovolo avo lenta no hotanterahin’izy ireo mandritra izany, izay asa famoronana avokoa ny ankamaroany fa tsy toy ny fahita mahazatra. Mpilatro miisa 30 no hanafana ny fotoana izay hiaka-tsehatra hampiseho izany  raha akanjo foana no nahazatra ny maro hatramin’izay. Nomarihin-dRakotoarison Liva Annick hatrany moa fa hiezaka hanao ny tsara hatrany izy ireo mandritra ny 25 taona ho avy entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Tafiditra ao anatin’izany ny fampivoarana ny fanaovam-bolo eto Madagasikara izay hiarahany miasa amin’ireo mpanao volo matihanina any ivelany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT