Actualités

20 taona ny vondron’orinasa Vidy Varotra


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Vonona hatrany hanatratra ireo fanamby ny mpiara-miasa

Fanamby napetraka amin’izao fankalazana izao, ny haha-taom-pandresena eo amin’ny sehatry ny asa sy ny famokarana. Tamin’ny alalan’ny « Team Building » lehibe notanterahina teny amin’ny Le Domaine du Grand Soavina, no nisantarana sy nanokafana ny fankalazana ny faha-20 taona ny faran’ny herinandro lasa teo.


Fotoana izay nanehoana firaisan-kina eo amin’ny samy mpiara-miasa eo anivon’ny Vondrona, hanehoana ny fahavonana amin’izay fanamby napetraka izay. Tafiditra tao anatin’izay koa ny fanindriana sy fanipihana manokana ireo Hasina 5 mampiavaka ity vondron’orinasa ity dia ny Fifanajana, ny Fankatoavana sy firaisam-po, ny Fifampitokisana, ny Fahafahafam-pon’ny mpanjifa ary ny Fitakiana ny kalitao na ilay atao hoe Sarotiny amin’ny fahombiazana.


Hetsika ara-panatanjahantena lehibe teo amin’ireo mpiara-miasa notarihan’ny ekipa matihanina avy ao amin’ny Le Domaine du Grand Soavina no notanterahina ny sabotsy teo, ho fanehoana ny fahavononan’ny rehetra hanaja sy hanatanteraka ireo vina lehibe ireo. Anisan’ireo rantsana ao anatin’ny vondron’orinasa Vidy Varotra moa ny gazety Jejoo, Tia Tanindrazana, Job, Vidy Varotra, sy ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 Fm.


Vidy Varotra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT