Actualités

2,5 miliara notonontononon’i Raissa Miantso fanadihadiana lalina ny Hafari Malagasy


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Mivoy hatrany ny fampanjakana ny tany tan-dalana eto Madagasikara ny Hafari Malagasy, hoy ny filohany, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Maneno be ankehitriny ity raharaha Raissa ity, hoy izy. Midera ny fitsarana sahy namoaka ireny fanapahan-kevitra ireny satria resaka vola kely tsy misy dikany daholo foana hatramin’izay no voaresaka amin’ny haino aman-jery hoe tratra fa tsy ny trondro vaventy. Isan’ny tambazotra goavana io ravan’ny fanjakana io satria fantatra tsara ny toeran’izany Raissa izany teto amin’ny firenena. Isan’ny nahafantarana azy ny resaka kianjan’Anosizato. Tao ambadik’ireny i ramatoa Raissa. Ny zaridainan’Antaninarenina, ny CEG Analamahitsy, ny vahoakan’i Fenoarivo koa. Efa marobe ny fitoriana momba an’i Raissa sy ny manodidina azy hatramin’izay raha ireo fotsiny. Mankasitraka ilay sazy enjana izahay. Izay eo ihany fa ilay resaka 2,5 miliara Fmg na 500 tapitrisa Ariary koa ilana fanadihadiana be dia be. Tsy misy banky ao am-ponja ka hoe i Raissa avy ao am-ponja no namoaka ilay vola avy ao. Ilaina fanadihadiana hoe iza daholo no tambazotra manodidina io resaka 2,5 miliara io? Heloka toy ny ahoana no nandoavana ilay 2,5 miliara? Manainga ny Bianco hanao ny asany. Miantso ny mpitsara sy ny SMM hatramin’ny minisiteran’ny fitsarana koa ho sarotiny amin’ny asany. Isan’ny handray anjara be dia be amin’io ady amin’ny kolikoly io ny Hafari malagasy amin’ny maha fiarahamonim-pirenena azy. Ny lojika dia tokony hiaingan’ny fanadihadiana aloha izany i Raissa satria tsy tokony afaka hiresaka toy ireny izy raha avy ao am-ponja. Niainga avy aiza izany ilay vola? Iza no nitondra ilay vola? Nankaiza marina ilay vola? Mino aho fa tsy tany am-ponja ny lehiben’ny fampanoavana na PG izay isany notononiny. Toy izany koa ny sekretera jeneralin’ny fitsarana. Sao dia ilay olona nampitondrany ilay vola no nanapoaka ilay vola dia avy eo izy manonontonona ny anaran’ny mpitsara fotsiny nefa izany tena saropady ary fahasahiana lehibe ny fanonontononan’i Raissa izany satria tsy nihaona tamin’ireo olona ireo, hoy hatrany ny filohan’ny Hafari malagasy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT