Actualités

«1ER Salon du savoir-faire féminin» Telo andro hanehoan’ny vehivavy ny fahaizamanaony


  • Zoma 06 Jona 2014

Tanterahina etsy anoloan’ny Lapan’ny tanŕna Analakely nanomboka omaly ny «Salon du Savoir faire féminin». Andiany voalohany izy ity, izay hitohy hatramin’ny rahampitso, hanehoan’ny vehivavy ny fahaizamanaony sy ny vokatry ny asan’izy ireo avy amin’ireo Faritra 22 manerana ny Nosy.

 Nanipika mazava Rtoa Sylvia Pages, filoha nasionalin’ny EFOI (Entreprendre au Féminin de l'Océan Indien) fa tokony hanomezana laka ny vehivavy satria dia isan’ny loharano ipoiran’ny fampandrosoana izy. Nanohana izany ny PDSn’Antananarivo, Ny Hasina Andriamanjato raha nilaza fa mahavita asa betsaka noho ny lehilahy ny vehivavy ary raha ny tantaram-pirenena Malagasy manokana aza no jerena dia vehivavy no betsaka nitondra fanjakana, faha-mpanjaka. Nanome toky ireo vehivavin’ny EFOI ny minisitry ny indostria sy ny orinasa madinika sy salantsalany ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Dr Jules Etienne fa hanampy amin’ny fanatanterahina ny tetikasan’izy ireo ny Ministera tantaniny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT