15 taona ny APE

« Accord de Partenariat Économique »


  • Alakamisy 13 Aogositra 2026

Mbola tsy azo hozongozonina

amin’ny varotra ivelan’i Madagasikara ny « UE »

Mbola miankina betsaka amin’ny tsena eoropeanina ny varotra ivelan’i Madagasikara, raha ny tarehimarika farany. Mbola ny 33%n’ny vokatra aondrana avy eto amintsika no mandeha any amin’ny Vondrona Eropeana na ny UE, raha 16% monja ho an’ny mpiara-miombon’antoka ara-barotra faharoa. Taorian’ny fifanarahana APE (Accord de Partenariat Économique) izay nosoniavina 15 taona lasa izay, mbola mitana ny toerany ho tsena lehibe indrindra ho an’i Madagasikara ny UE, ary mitondra tombony amin’ny fifandanjana ara-barotra, raha ny fanamafisana. Nandritra ny fankalazana ny faha-15 taona nidiran’ny APE, nanamafy i Roland Kobia, ambasadaoron’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara, fa ny “fifanarahana tsy mbola nisy nampiady hevitra mihitsy” ity. Navoitrany tao amin’ny pejin-tseraserany fa ity rafitra ity dia manome fahafahana ho an’ny vokatra malagasy hiditra eny amin’ny tsena eropeana tsy misy haba-tseranana (0%) na « quotas » (0 limitation quantitative). Tombony lehibe ho an’ny Nosy izany, satria manamora ny fanondranana, manintona ny fampiasam-bola ary mampiroborobo ny asa ara-toekarena. Ho an’ny sehatra ara-barotra, ny fahamarinan-toeran’ny fifanarahana dia manome antoka sy fahatokisana. Manana rafitra ara-dalàna mazava sy azo antoka, ka afaka mampivelatra ny fifanakalozana amin’ny tsena eropeana ny mpandraharaha ; tsy voafetra ho an’i Madagasikara ihany ny vokatra tsara ateraky ny APE, fa manitatra hatrany amin’ny faritra manontolo ao amin’ny ranomasimbe Indianina, raha ny nambara fa isan’ny tombondahiny. Taorian’ny 15 taona, mbola mijanona ho mpiara-miombon’antoka ara-barotra lehibe indrindra ny Vondrona Eropeana, na amin’ny lafiny fanondranana na amin’ny lafiny fampiasam-bola. Teo amin’ny 3828,2 miliara Ar na 830 tapitrisa euros teo ny sandan’ny fifanakalozana ara-barotra, ny fanondranantsika nakany amin’ny Vondrona Eropeana ny taona, izay manome 34 % amin’ny vola miditra avy amin’ny fanondranana rehetra, raha 530 tapitrisa euros teo ho eo kosa ny avy any nakaty, izay Ny vokatra avy ahitana solika sy vokatra avy amin’ny solika, fitaovana indostrialy, fiara sy kojakoja, fanafody, sakafo voahodina,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT