Nosafidian’ny fanjakana hanombohana ny hetsika nasionaly hamongorana ny aretina mamany lava mpahazo ny vehivavy i Sambava. Nitarika izany tany an-toerana Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena, sady nanao fanentanana mba tsy hirosoan’ny tovovavy hanambady aloha loatra, fa hitozo amin’ny fianarana. Toa rano natondraka andamosin-gisa, tsy nisy mpihaino izy raha ny zava-mitranga ao an-tanàna, satria dia mirongatra ny filan-dratsy.
4 hetsy Ariary
Ny antoandron’ny alarobia andro nahatongavan’ny delegasionam-panjakana tao Sambava dia nisy zazavavy kely vao 3 taona monja naolan’ny dadatoany. Nitsoaka ity farany ary mbola karohina. Simba tanteraka kosa ilay zaza ary mbola tsaboina ao amin’ny hopitalin’i Sambava. Izao indray dia misy ankizivavy tsy ampy taona, teraka tamin’ny 2001, mbola mpianatra taona faha-5 amina sekoly tsy miankina iray ao Sambava no atosiky ny havany hanambady. Hatao ara-pomban-drazana amin’ity andron’ny sabotsy 08 aogositra 2015 ity ao an-drenivohitry ny Faritra SAVA. Tsimandrimandry no nanombohana ny lanonana omaly hariva. Efa maro ireo vahiny avy lavitra izay nasain’ny fianakaviana roa tonta hiatrika izany. Lehilahy 40 taona eo, teratany Malagasy miasa amina orinasa lehibe iray ao Sambava no hampakatra ity zazavavy tsy ampy taona ity ho vady, amin’ny vola 4 hetsy Ariary. Misy amin’ny fianakavian-drazazavavy no tsy mankasitraka ka nampandre ny manampahefana ao an-toerana, hanakana ny fanatanterahana izany. Nandeha nitsirika ity toe-javatra ity ny lehiben’ny sampandraharan’ny mponina ao Sambava, ny PDS-n’ny Kaominina ary ny sefo Fokontany tao an-toerana Ambodisatrana I ary ny mambra avy amin’ny Tambajotra miaro ny zon’ny zaza. Taizan-drenibeny ilay zazavavy fa any Ampanefena-Vohémar ny reniny niteraka azy no mipetraka. Raha ny fanazavan’ilay ramatoa mpitaiza azy dia noho ilay zaza manana olana ara-pahitana amin’ny maso no antony nandafosana ity zaza ity ka handefasana azy hanambady ka hatao mariazy anio na dia mbola zaza tsy ampy taona sy tsy vonona ny amin’izany aza.
Mivaky roa ny fianakaviana
Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany ireo manampahefana tonga tao nandidy ny fianakavian-drakalakely fa tsy maintsy ahemotra ny mariazy tokony hatao ny 08 aogositra 2015 ; faharoa dia tsy maintsy alefa any amin’ny Fitsarana ny raharaha ; fahatelo dia tsy maintsy mandeha any amin’ny mpitsabo manamarina fa tena tsy mahita tokoa io zaza io.
Ny olana hoy ny reniben’ilay zaza dia efa be dia be ny fandaniana nanomanana ity mariazy saika haresaka be ity ary “tsy fantatray ny hevitr’ilay rangahy hampakatra io zaza io na hanaiky izany fanemorana izany na tsia. Mivaky roa ny fianakavian-drakalakely noho ity raharaha ity. Vonona ny hisambotra avy hatrany ny polisy ao an-toerana raha misisika ny hanatanteraka ny mariazy ihany ny fianakaviana roa tonta anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.