Actualités

14 oktobra Tsy mahazo mifety indray


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Tsy hisy ny fety aman-danonana Tsy misy ny fety aman-danonana amin’ny 14 oktobra saika hanonerana ny 26 jona tsy nahafahana nankalaza ny faha-60 taona nahazoana ny fahaleovantena, satria mbola miatrika ady isika hoy ny filoham-pirenena Rajoelina, dia ny Coronavirus sy ny Kere izany.

 

  Ny 14 oktobra izao moa no ho feno 62 taona katroka ny nanambarana ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny faniriantsika dia nankalazaina tao anatin’ny fomba manetriketrika ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovantena, kanefa tsy afaka nanao izany isika tamin’ny 26 jona, hoy ny Filoha. Nieritreritra isika fa hoe amin’ny 14 oktobra no hanatanterahana ny fankalazana, saingy mbola ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana isika, mbola miady amin’ny hanohanana sy ny kere ka fahendrena, hoy i Andry Rajoelina ny tsy hanaovana fety manetriketrika amin’io datin’ny 14 oktobra io, ka tsy hankalaza amin’ny fomba manetriketrika isika, fa toy ny andavanandro ihany, hoy izy. Ho any amin’ny toerana nahaterahan’ny Filoha Tsiranana Filohan’ny Repoblika voalohany kosa ny tenany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT