Nivoaka tamin’ny fampahalalam-baovao omaly ny resaka milaza fa naongan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama tsy ho Tale Jeneraly Atoa Vonjy Andriamanga. Misy ahitsy,
izahay tsy nanala azy tsy ho Tale Jeneraly, fa ny tamin’ny 17 jona kosa nandray fanapahan-kevitra noraisina, nisy ampaham-pahefana nomenay azy nosintoninay satria tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fanarenana Jirama, hoy Atoa Rabetsara Lita Mpikamban’ny Filankevi-pitantanana sady Filohan’ny Tambajotra mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC omaly. Raha vao naheno an’io anefa ny Tale Jeneraly momba ilay fanapahan-kevitra hisintomana fahefana, dia naneho hoe: “Raha ampahafantarinareo olona io, dia hametra-pialana aho”, fa tsy nanala azy izahay, hoy ny tatitra nataon-dRabetsara Lita. Misy olona 3 kosa nakisaka amin’ny toerany tao amin’ny Jirama, dia ny Tale kabinetra izay rafitra tsy tokony hisy, ny tale misahana ny maha olona (Ressources Humaines) namindra olona be dia be nandritra ny «confinement » ary ny Tale misahana ny maha lalàna (Affaires Juridiques) nanao fifanarahana niteraka fatiantoka 1200 miliara ariary, nisy ny fanabontsinana faktiora dia ny mpiasa 60 no mody atao sorona ka tezitra ny mpiasa, zavatra tsy misy ny filazana fa noho ny toetr’andro ny olana tany Andekaleka,… Efa nahita tombony 300 miliara miala amin’ilay 1200 miliara anefa izy ireo tao anatin’ny drafi-panarenana nataony, hoy i Rabetsara Lita. Ratsy toerana ny Tale Jeneraly Vonjy Andriamanga amin’izao fotoana izao, izay Minisitry ny angovo no nafindra amin’io toerana io. Miverina ny delestazy, mijaly ny vahoaka,… Ny hividy fiara tsy mataho-dàlana no maha maika amin’izao fahasahiranana izao. Nasaina nividy Groupe hanoloana ireny simba ireny, kanefa tsy tanteraka hatramin’izao,… hoy hatrany I Rabetsara Lita. Asa na hoesorina ao anatin’ny Filankevitry ny minisitra anio ity Tale Jeneraly ity na ahoana? Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.