11 martsa, taom-baovao Malagasy

« Angatahana mba ho andro tsy fiasana »


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Angatahana mba ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama

ny 11 martsa izao, hoy ny fangatahana nataon’ireo komity mpikarakara ny taom-baovao malagasy ankalazaina fararano ary nantefan’izy ireo tamin’ny filohan’ny repoblika moa ny fangatahany. Ny 11 martsa izao izany no taom-baovao malagasy voalohany raha toa ka amin’ny volana septambra ny faharoa na taom-baovao lohataona, raha tsiahivina hatrany. Araka ny efa nifanarahan’ireo mpikarakara teny anaty rovan’Antananarivo dia samy angatahana ho andro tsy fiasana fa andraisan-karama avokoa ireo. Andrasana, noho izany, ny didim-panjakana mifandraika amin’izany raha ho ekena tokoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT