10 taonan’ny Kolo TV

FM « Isan’ny fotoan-tsarotra nandalovana ny fanakatonana »


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Feno 10 taona katroka ny 31 martsa teo ny haino aman-jery rahavavy Kolo TV/FM ary nanamarika izany tetsy Antanimena ny zoma hariva teo.

Haino aman-jery efa nandalo foton-tsarotra sy sedra ny KoloTV/FM sy ny Kprod, hoy ny fampahatsiahivana. Isany ny fanakatonana azy saingy mbola izao nahatratra ny faha 10 taonany izao ary mbola mikendry ny handeha lavitra kokoa miaraka amin'ny fahaiza-manao sy ny fivoaran'ny teknolojia ary ny fiofanana, hoy ireo lahateny nifandimbiasana. Nambaran'ny tale jeneraly, Andriantsarafara Mija, fa nanana tetikasa izy ireo tany am-piandohana ary nanana fahasahiana tao anatin'ny fotoana tsy nilamina ny hanitarana any amin'ny faritra ity haino aman-jery ity. Tanteraka izany izao amin'ireo fandaharana arahan'ny maro isan’andro, any anaty fiara sy any am-piasana hatrany ambanivohitra rehetra any. Hatrany ivelany noho ny teknolojia, hoy izy. Nampahatsiahy ny anton'ny anarana Kolo kosa ny filoha tale jeneraly, Andrianainarivelo Hajo, ka nambarany fa nofidiana izany ho fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy sy ny fanasongadinana ny vokatra eto an-toerana. Nanteriny fa natao ahafantarana kokoa ny kolontsain'ny faritra ny fanitarana natao. Nankasitrahana tamin'io fotoana io moa ireo mpiara-miasa amin'ity haino aman-jery sy ireo mpiasa miasa 8 mianadahy naharitra 10 taona ka nosalorana medaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT